Monday, March 06, 2006


Ireo lisitry ny port @ system ordinatera nao. Ato daholo ny lisitra, mba ahafahanao miaro tena @ ireo mpitsirika (joko tsoriaka - pirate) sy hiarovanao ny fitaovanao tsy ho simban'ny mpisompatra. Aza adino koa fa ireo port ireo na seranana no ahafahan'ny virus (trojans indrindra indrindra) miditra, ka anjaranao no mifehy manidy na manokatra azy arakaraky ny fahazoanao antoka hoe voaaro ilay seranana na tsia. Ny tsara indrindra dia hidiana daholo izay rehetra tsy ampiasaina. Izany no asan'ny baikorafitra (logiciel ) aroafo(firewall) . ny olana kely anefa dia manelingelina matetika lay aroafo satria voasakana daholo ny vava-seranana rehetra ka tsy tafita ny fifanakalozana singankay (information). Misy amin'izy ireo moa de efa natokana hampiasainreo baikorafitra maazatra miaraka amin'ny windows.

De mahazoa fahafinaritana avy ary e